Eliane Sy Emma - Teto
TETO Teto izahay no nanao ny fanekena Vita tamin’ny fo madio fa sanatria tsy nisy noterena Teto izahay no nanomboka nizara fitiavana Tsy maty akory ireny fa nipetraka ho tantara. Teto ihany koa no nanaovanay ny voady Velirano, visavisa ny hoavy fa hiaraka hitady Teto daholo ny rehetra no nitranga N’inona hidona na zavatra hihatra Dia ny hitovy saranga. Folaky ny haizina ve ka hangina Rahampitso indray aho miandry fitsikina Ny ho kivy sanatria f’izany ihany no fiainana ety. Fa teto koa no niaretanay ny mafy Nisotroanay ny mangidy sy ny mamy Ary tsy mantsy mihafy Teto izahay vao niandoha tsy nanana Fa samy niady mafy mba hisy zava-tsoa am-pelantanana Mbola eto anefa no hitoeranay hatrany Mandra-piandry izay lahatra fiantsoana Ka handaozanay ny tany Mbola eto koa no hamelomanay indray fitia vaovao Ary farany aza angamba eto no hilevenanay. Folaky ny haizina ve ka hangina Rahampitso indray aho miandry fitsikina Ny ho kivy sanatria f’izany ihany no fiainana ety. Folaky ny haizina ve ka hangina Rahampitso indray aho miandry fitsikina Ny ho kivy sanatria f’izany ihany no fiainana ety.
Download
0 formatsNo download links available.